Filazantsara araka an'i Matio 20:23
Hoy kosa Izy taminy: Hisotro amin’ ny kapoakako tokoa ianareo; fa ny hipetraka eo an-tanako ankavanana sy eo an-tanako ankavia, dia tsy Ahy ny hanome izany; fa izay nanamboaran’ ny Raiko izany no homena.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
24Ary nony nandre izany izy folo lahy, dia tezitra noho ny nataon’ izy mirahalahy.
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 20
Cross References
Mark 10:40fa ny hipetraka eo an-tanako ankavanana na eo an-tanako ankavia kosa, dia tsy Ahy ny hanome izany, fa izay nanamboarana izany no homena.
Romans 8:17Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an’ Andriamanitra no mpiray lova amin’ i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa.
2 Corinthians 1:7Ary miorina tsara ny fanantenanay anareo, satria fantatray fa tahaka ny iombonanareo ny fahoriana no iombonanareo ny fampiononana koa.
2 Timothy 2:11Mahatoky izao teny izao: Fa raha miara-maty aminy isika, dia hiara-belona aminy koa;
Revelation 1:9Izaho Jaona, rahalahinareo sy namanareo amin’ ny fahoriana ary amin’ ny fanjakana sy ny faharetana ao amin’ i Jesosy, dia tao amin’ ny nosy atao hoe Patmo noho ny tenin’ Andriamanitra sy ny filazana an’ i Jesosy.