Filazantsara araka an'i Matio 21:38
Kanjo ny mpiasa tany, nony nahita ny zanaka, dia niresaka hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika izy, dia ho lasantsika ny lovany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
37Ary nony farany dia naniraka ny zanany hankany aminy izy ka nanao hoe: Hanaja ny zanako izy.
39Ary nisambotra azy izy ka namoaka azy teo ivelan’ ny tanim-boaloboka, dia namono azy.
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 21
Cross References
1 Kings 1:12Koa etsy homeko saina ianao hamonjenao ny ainao sy ny ain’ i Solomona zanakao.
Matthew 2:13Ary nony efa lasa nandeha ireo, indro, nisy anjelin’ ny Tompo niseho tamin’ i Josefa tamin’ ny nofy ka nanan hoe: Mifohaza ianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny, dia mandosira any Egypta, ary mitoera any ambara-pilazako aminao; fa Heroda efa hitady ny Zazakely hovonoiny.
Matthew 27:1Ary nony maraina ny andro, ny lohan’ ny mpisorona rehetra sy ny loholona dia niara-nihevitra hiampanga an’ i Jesosy mba hamonoany Azy.
Luke 20:14Fa raha nahita iny ny mpiasa tany, dia niara-nisaina izy ka nanao hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika io, mba ho antsika ny lova.
Acts 4:27Fa efa niangona marina tokoa teto amin’ ity tanàna ity Heroda sy Pontio Pilato mbamin’ ny jentilisa sy ny olona Isiraely hanohitra ny Mpanomponao Masìna, dia Jesosy Izay nohosoranao,
Hebrews 1:2dia amin’ izao andro farany izao kosa no nampitenenany tamintsika ny Zanany, Izay voatendriny ho Mpandova ny zavatra rehetra; Izy no nahariany izao tontolo izao,