Filazantsara araka an'i Matio 22:16
Dia naniraka ny mpianany mbamin’ ny Herodiana hankeo aminy izy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, fantatray fa marina Hianao ka mampianatra marina ny lalan’ Andriamanitra ary tsy manahy olona, satria tsy mba mizaha tavan’ olona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
15Ary tamin’ izay dia lasa ny Fariseo ka niara-nisaina mba hamandrika Azy amin’ ny teniny.
17Koa lazao aminay ary izay hevitrao: Moa mety va ny mandoa vola hetra ho an’ i Kaisara, sa tsia?
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 22
Cross References
1 Kings 22:14Ary hoy Mikaia: Raha velona koa Jehovah, dia izay lazain’ i Jehovah amiko ihany no hambarako.
Psalms 5:9Jehovah ô, tariho amin’ ny fahamarinanao aho noho ny amin’ ny mpampahory ahy; ataovy marina eo anoloako ny lalanao.
Psalms 55:21Efa naninjitra ny tànany hamely izay nihavana taminy izy; namadika ny fanekeny izy.
Isaiah 59:13Dia ny miodina sy ny mandà an’ i Jehovah, ary ny miala amin’ ny fanarahana an’ Andriamanitray, ny miteny fampahoriana sy fikomiana, ary ny mamorona sy mamoaka teny lainga avy ao am-po.
Ezekiel 33:30Ary ianao, ry zanak’ olona, ny zanaky ny firenenao dia miresaka anao eny am-bodirindrina sy eo am-baravaran’ ny tranony, ka samy manao amin’ ny rahalahiny hoe: Andeha isika, ary aoka handre izay teny avy amin’ i Jehovah.
Malachi 2:6Ny lalàn’ ny fahamarinana no teo am-bavany, ary tsy mba nisy tsi-fahamarinana teo amin’ ny molony; tamin’ ny fiadanana sy ny fahitsiana no niarahany nandeha tamiko, ary maro no nampialainy tamin’ ny heloka.