Filazantsara araka an'i Matio 22:18
Fa Jesosy nahalala ny faharatsiany, dia nanao hoe: Nahoana no maka fanahy Ahy ianareo, ry mpihatsaravelatsihy?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
But Jesus perceived their wickedness, and said, Why tempt ye me, ye hypocrites?
In Context
17Koa lazao aminay ary izay hevitrao: Moa mety va ny mandoa vola hetra ho an’ i Kaisara, sa tsia?
19Asehoy Ahy ny farantsakely fandoa amin’ ny hetra. Dia nitondrany denaria Izy.
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 22
Cross References
Matthew 16:1Ary ny Fariseo sy ny Sadoseo nankeo aminy, dia naka fanahy Azy ka nangataka Azy haneho famantarana aminy avy any an-danitra.
Mark 2:8Ary niaraka tamin’ izay Jesosy dia nahalala tao am-panahiny fa nieritreritra izany tao am-pony ireo, dia hoy Izy taminy: Nahoana ianareo no mieritreritra izany zavatra izany ao am-ponareo?
Luke 5:22Fa Jesosy nahafantatra ny eritreriny, dia namaly ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no mieritreritra ao am-ponareo?
Luke 10:25Ary, indro, nisy mpahay lalàna anankiray nitsangana ka naka fanahy an’ i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?
John 2:25ary tsy nitady olona hanambara olona Izy; fa ny tenany nahalala izay tao am-pon’ ny olona.
Acts 5:9Ary hoy Petera taminy: Nahoana ianareo no niray tetika haka fanahy ny Fanahin’ ny Tompo? Indro, eo am-baravarana ny tongotr’ izay nandevina ny vadinao, ary hitondra anao hivoaka koa izy.