Filazantsara araka an'i Matio 23:13
Fa lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa arindrinareo eo anoloan’ ny olona ny fanjakan’ ny lanitra; fa ianareo tsy miditra, ary izay miditra dia tsy avelanareo hiditra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
12Fa izay manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra.
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 23
Cross References
Isaiah 33:14Raiki-tahotra ny mpanota ao Ziona; Horohoro no nahazo ny mpihatsaravela-tsihy. Iza amintsika no hahatoetra amin’ ny afo mandevona? Iza amintsika moa no hahatoetra amin’ ny lelafo mandrakizay?
Matthew 21:31Ka iza moa amin’ izy mirahalahy no nanao ny sitrapon’ ny rainy? Hoy izy: Ny lahimatoa. Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga efa mialoha anareo ho amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.
Matthew 23:23Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandoa ny fahafolon’ ny solila sy ny aneta ary ny komina ianareo, nefa navelanareo izay lehibe amin’ ny lalàna, dia ny rariny sy ny famindram-po ary ny finoana; ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo ireroana.
Matthew 23:27Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa ianareo dia tahaka ny fasana voalalotra fotsy, izay miseho tsara tarehy eo ivelany, nefa ny ao anatiny dia feno taolan’ ny maty mbamin’ ny fahalotoana rehetra.
Luke 11:43Lozanareo, Fariseo! fa tia ny fipetrahana aloha ao amin’ ny synagoga sy ny fiarahabana any an-tsena ianareo.
John 7:46Ny mpiandry raharaha namaly hoe: Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany.