Filazantsara araka an'i Matio 23:34
Ary noho izany, indro, Izaho maniraka mpaminany sy olon-kendry ary mpanora-dalàna ho atỳ aminareo; koa ny sasany hovonoinareo sy hohomboanareo amin’ ny hazo fijaliana, ary ny sasany hokapohinareo ao amin’ ny synagoganareo sy henjehinareo mitety vohitra,―
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 23
Cross References
2 Chronicles 36:15Kanefa Jehovah, Andriamanitry ny razany, nampitondra teny ny iraka izay nirahiny ho any aminy; eny, nifoha maraina koa Izy ka naniraka, fa namindra fo tamin’ ny olony sy ny fonenany.
Matthew 10:16Indro, Izaho maniraka anareo ho tahaka ny ondry ao ampovoan’ ny amboadia; koa hendre tahaka ny menarana, ary morà tahaka ny voromailala.
Matthew 13:52Dia hoy Izy taminy: Koa amin’ izany ary ny mpanora-dalàna rehetra izay nampianarina ho amin’ ny fanjakan’ ny lanitra dia samy tahaka ny tompon-trano, izay mamoaka avy amin’ ny firaketany zava-baovao sy ela.
Matthew 28:19koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ ny anaran’ ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masìna
Luke 24:47ary mba hotorina amin’ ny anarany ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ ny firenena rehetra, manomboka eto Jerosalema.
John 20:21Ary hoy indray Jesosy taminy: Fiadanana ho anareo; tahaka ny nanirahan’ ny Ray Ahy no anirahako anareo kosa.