Filazantsara araka an'i Matio 23:38
Indro, avela ho lao ho anareo ny tranonareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Behold, your house is left unto you desolate.
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 23
Cross References
1 Kings 9:7dia hofongorako tsy ho amin’ ny tany izay nomeko azy ny Isiraely; ary ity trano izay nohamasiniko ho an’ ny anarako ity dia hofongorako tsy ho eo imasoko; ary ny Isiraely ho tonga ohabolana sy ambentinteny any amin’ ny firenena rehetra;
Psalms 69:24Aoka ho jamba ny masony mba tsy hahita; ary ampangozohozoy mandrakariva ny valahany.
Jeremiah 7:9Hay! hangalatra sy hamono olona sy hijangajanga va ianareo ary hianian-tsy tò sy handoro ditin-kazo manitra ho an’ i Bala sady hanaraka andriamani-kafa izay tsy fantatrareo?
Daniel 9:26Ary rehefa afaka ny roa amby enim-polo herinandro, dia hovonoina ny Mesia ka tsy hanana; ary ny vahoaky ny mpanjaka izay ho avy dia handrava ny tanana sy ny fitoerana masìna; ary ny farany dia hisy safotra, ary hatramin’ ny farany dia hisy ady sy fandravana voatendry.
Zechariah 11:6Fa tsy hiantra ny mponina amin’ ny tany intsony Aho, hoy Jehovah; fa, indro, Izaho dia hanolotra ny olona samy ho eo an-tànan’ ny namany sy samy ho eo an-tanan’ ny mpanjakany avy; ary hamely ny tany ireo, nefa tsy mba hanafaka amin’ ny tànany Aho.
Matthew 24:2Fa Izy namaly ka nanao taminy hoe: Tsy hitanareo va ireo rehetra ireo? Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana.