Filazantsara araka an'i Matio 23:7
sy ny hoharabain’ ny olona eny an-tsena ary ny hataon’ ny olona hoe: Raby ô!
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And greetings in the markets, and to be called of men, Rabbi, Rabbi.
In Context
6Ary tia ny fitoerana aloha eo amin’ ny fanasana izy, sy ny fipetrahana aloha eo amin’ ny synagoga
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 23
Cross References
Mark 9:5Ary niteny Petera ka nanao tamin’ i Jesosy hoe: Raby ô, tsara raha mitoetra eto isika; ary aoka hanao lay telo izahay: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an’ i Mosesy, ary ny anankiray ho an’ i Elia.
John 1:38Ary Jesosy nitodika ka nahita azy manaraka, dia nanao taminy hoe: Inona no tadiavinareo? Ary hoy izy roa lahy taminy: Raby (izay atao hoe, raha adika, Mpampianatra ô), aiza Hianao no mitoetra?
John 3:2Izy nankao amin’ i Jesosy nony alina ka nanao taminy hoe: Raby ô, fantatray fa mpampianatra avy amin’ Andriamanitra Hianao; fa tsy misy olona mahay manao izao famantarana ataonao izao, raha tsy Andriamanitra no momba azy.
John 6:25Ary rehefa nahita Azy teny am-pitan’ ny ranomasina izy, dia hoy izy taminy: Raby ô, oviana no tonga teto Hianao?