Filazantsara araka an'i Matio 24:15
Koa raha hitanareo mitsangana ao amin’ izay fitoerana masìna ny fahavetavetan’ ny fandravana, izay nampilazaina an’ i Daniela mpaminany (aoka hisaina izay mamaky izany),
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
16dia aoka izay olona any Jodia handositra ho any an-tendrombohitra;
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 24
Cross References
Ezekiel 40:4Dia hoy ralehilahy tamiko: Ry zanak’ olona, mijere amin’ ny masonao, ary mihainoa amin’ ny sofinao, ary aoka ny fonao handinika izay rehetra hasehoko anao; fa ny hanehoako anao izao no nitondrana anao eto. Ambarao amin’ ny taranak’ Isiraely izay rehetra hitanao.
Daniel 9:25Koa aoka ho fantatrao sy ho azonao fa hatramin’ ny hivoahan’ ny didy hanavaozana sy hanamboarana an’ i Jerosalema ka hatramin’ i Mesia Andriana dia ho fito herinandro sy roa amby enim-polo herinandro; hamboarina indray ny lalana sy ny hady, dia amin’ izay andro mampahory.
Daniel 10:12Dia hoy izy tamiko: Aza matahotra, ry Daniela; fa hatramin’ ilay andro voalohany nampiasanao ny fonao hahalala sy hampahory ny tenanao teo anatrehan’ Andriamanitrao dia reko ny teninao, ary noho ny teninao dia avy aho.
Daniel 12:11Ary hatramin’ ny andro hampitsaharana ny fanatitra isan’ andro sy hampidirana ny fahavetavetana mahatonga fandravana dia hisy andro sivifolo sy roan-jato amby arivo.
Luke 19:43Fa ho avy aminao ny andro izay hananganan’ ny fahavalonao tovon-tany manodidina anao, dia hanemitra anao izy ka hanidy anao manodidina
John 11:48Raha avelantsika hanao toy izany ihany Izy, dia hino Azy avokoa ny olona rehetra; ary ho avy ny Romana ka handrava ny fonenantsika sy ny firenentsika.