Filazantsara araka an'i Matio 24:31
Ary amin’ ny ampanenoana mafy ny trompetra dia haniraka ny anjeliny Izy, ary hangonin’ ireo ny olom-boafidy avy amin’ ny vazan-tany efatra hatramin’ ny faravodilanitra rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 24
Cross References
Numbers 10:1Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Psalms 22:27Hihinana ny mpandefitra ka ho voky; hidera an’ i Jehovah izay mitady azy; ho velona mandrakizay anie ny fonareo.
Psalms 81:3Asandrato ny hira, ka velezo ny ampongatapaka, ary tendreo ny lokanga mahafinaritra mbamin’ ny valiha.
Isaiah 13:5Izay avy any amin’ ny tany lavitra, any amin’ ny faravodilanitra, dia Jehovah sy ireo fitaovan’ ny fahatezerany, ho enti-mandrava ny tany rehetra.
Isaiah 42:10Hianareo izay midìna any amin’ ny ranomasina sy ny ao aminy rehetra, dia ianareo nosy sy ny mponina ao aminy, samia mihira fihiram-baovao ho an’ i Jehovah, dia ny fiderana Azy hatramin’ ny faran’ ny tany.
Isaiah 45:22Mijere Ahy, dia ho voavonjy ianareo, ry vazan-tany rehetra! Fa Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa.