Filazantsara araka an'i Matio 24:38
Fa tahaka ny tamin’ ny andro fony tsy mbola tonga ny Safo-drano, ka nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoaka ny ampakarina, mandra-pihavin’ ny andro izay nidiran’ i Noa tao amin’ ny sambo-fiara,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
37Fa tahaka ny andron’ i Noa, dia ho tahaka izany koa ny fihavian’ ny Zanak’ olona.
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 24
Cross References
Genesis 7:7Ary Noa sy ny vadiny aman-janany, mbamin’ ny vinantoni-vavy niaraka taminy dia niditra tao anatin’ ny sambo-fiara mba tsy ho tratry ny safo-drano.
1 Samuel 30:16Ary nony nentiny nidina izy, indreo, miely eran’ ny tany izy ka homana sy misotro ary milanona noho ny haben’ ny babo rehetra izay azony tamin’ ny tanin’ ny Filistina sy ny tanin’ ny Joda.
Ezekiel 16:49Indro, izao no helok’ i Sodoma rahavavinao: Avonavona sy fahabetsahan-kanina ary fahatokiam-poana no tao aminy sy tao amin’ ny zananivavy, ary tsy mba nitantana ny malahelo sy ny mahantra izy.
Matthew 22:30Fa amin’ ny fitsanganan’ ny maty dia tsy mba hisy hampaka-bady, na havoaka hampakarina, fa ho tahaka ny anjely any an-danitra izy.
Luke 12:45Fa raha manao anakampo kosa izany mpanompo izany hoe: Maharitra ela ny tompoko vao ho avy, ka dia mikapoka ny ankizilahy sy ny ankizivavy izy sady mihinana sy misotro ka mamo,
Luke 17:26Ary tahaka ny tamin’ ny andron’ i Noa, dia hisy toy izany koa amin’ ny andron’ ny Zanak’ olona: