Filazantsara araka an'i Matio 24:6
Ary handre ady sy filazana ady ianareo; koa mitandrema, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga izany; nefa tsy mbola tonga ny farany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
5Fa maro no ho avy amin’ ny anarako hanao hoe: Izaho no Kristy, ka maro no ho voafitany.
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 24
Cross References
Psalms 46:1Ho an’ ny mpiventy hira. Nataon’ ny Koraïta; At-alamoth; Tonon-kira.
Isaiah 8:12Aza mba lazainareo ho tetika fikomiana izay lazain’ ity firenena ity ho tetika fikomiana; Ary aza matahotra izay atahorany na mangovitra ianareo.
Isaiah 26:3Ny saina tsy miovaova dia harovanao ao amin’ ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy.
Jeremiah 4:19Endrey ny kiboko! Endrey izany kiboko! Manaintaina aho; Endrey! mila ho triatra izany ny foko! Mitoloko ny foko, ka tsy mahay mangìna aho; Fa ny feon’ anjomara sy ny akoran’ ady dia renao, ry fanahiko.
Jeremiah 8:15Nanantena fiadanana isika, kanjo tsy nahita soa; Ary andro fanasitranana, fa indro fampitahorana.
Ezekiel 7:24Ka dia hitondra izay jentilisa ratsy indrindra Aho, ary ho lasan’ ireny ny tranony; dia hatsahatro ny avonavon’ ny mahery, ary ho lotoina ny fitoerany masìna.