Filazantsara araka an'i Matio 25:1
Ary amin’ izany ny fanjakan’ ny lanitra dia ho tahaka ny virijina folo, izay nitondra ny fanalany ka nivoaka hitsena ny mpampakatra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
2Ary ny dimy tamin’ ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry.
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 25
Cross References
Psalms 45:9Miora sy hazo manitra ary kasia ny fitafianao rehetra, zava-maneno avy ao amin’ ny lapa ivory no mampifaly anao.
Song of Solomon 1:3Mani-pofona ny menakao tsara, menaka manitra voaidina ny anaranao, koa izany no itiavan’ ny zatovovavy anao.
Song of Solomon 5:16Mamy dia mamy ny vavany, eny, maha-te-ho-tia avokoa izy. Toy izany ny malalako, ary toy izany ny sakaizako, ry zanakavavin’ i Jerosalema!
Isaiah 54:5Fa ny Mpanao anao no Vadinao, Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarany; Ary ny Iray Masin’ ny Isiraely no Mpanavotra anao, Andriamanitry ny tany rehetra no anarany.
Daniel 2:44Ary amin’ ny andron’ ireo mpanjaka ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’ olon-kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.
Matthew 5:16Aoka hazava eo imason’ ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra.