Filazantsara araka an'i Matio 25:10
Fa raha mbola lasa nividy izy, dia tonga ny mpampakatra, ary izay efa niomana dia niara-niditra taminy tao amin’ ny fampakaram-bady, ary dia narindrina ny varavarana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 25
Cross References
Numbers 14:28Lazao aminy hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, dia araka izay nolazainareo teo anatrehako no hataoko aminareo:
Amos 8:12Ary hivembena hatrany amin’ ny ranomasina ka hatrany amin’ ny ranomasina ny olona ary hatrany amin’ ny avaratra ka hatrany amin’ ny atsinanana, eny, hivezivezy hitady ny tenin’ i Jehovah izy, nefa tsy hahita.
Matthew 25:6Ary nony mamatonalina, dia nisy antso hoe: Indro ny mpampakatra! Mivoaha mba hitsena azy.
Luke 12:36ary aoka ianareo ho tahaka ny olona izay miandry ny tompony, raha mody avy amin’ ny fampakaram-bady izy, ka nony tonga sy mandondòna izy, dia vohany miaraka amin’ izay.
Colossians 1:12ka misaotra ny Ray, Izay nampahamendrika antsika hanana anjara amin’ ny lovan’ ny olona masìna eo amin’ ny mazava,
Hebrews 3:18Ary iza no nianianany fa tsy hiditra any amin’ ny fitsaharany, afa-tsy izay tsy nanaiky?