Filazantsara araka an'i Matio 25:31
Ary raha tonga ny Zanak’ olona amin’ ny voninahiny, arahin’ ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianan’ ny voninahiny Izy;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 25
Cross References
Psalms 9:7Ny amin’ ny fahavalo, dia tanteraka ho mandrakizay ny fandravàna azy; ary izay tanàna efa noravanao, dia very na dia ny fahatsiarovana azy aza.
Zechariah 14:5Dia handositra ho any amin’ ny lohasahan’ ny tendrombohitro ianareo, fa hipaka hatrany Azela ny lohasahan’ ny tendrombohitra; eny, handositra ianareo tahaka ny nandosiranareo ny horohorontany tamin’ ny andron’ i Ozia, mpanjakan’ ny Joda; ary ho avy Jehovah Andriamanitro mbamin’ ny masìna rehetra momba Azy.
Matthew 19:28Fa hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa rehefa mby amin’ ny fanavaozana, ka hipetraka amin’ ny seza fiandrianan’ ny voninahiny ny Zanak’ olona, ianareo koa, izay nanaraka Ahy, dia hipetraka amin’ ny seza fiandrianana roa ambin’ ny folo ka hitsara ny firenen’ isiraely roa ambin’ ny folo.
Matthew 26:64Hoy Jesosy taminy: Voalazanao; ary koa, lazaiko aminareo: Hatramin’ izao dia ho hitanareo ny Zanak’ olona mipetraka eo amin’ ny tanana ankavanan’ ny Hery sy avy eo amin’ ny rahon’ ny lanitra.
Mark 14:62Ary hoy Jesosy: Izaho no Izy; ary ho hitanareo ny Zanak’ olona mipetraka eo ankavanan’ ny Hery sady avy eo amin’ ny rahon’ ny lanitra.
Luke 22:69Fa hatramin’ izao ny Zanak’ olona dia hipetraka eo an-tanana ankavanan’ ny herin’ Andriamanitra.