Filazantsara araka an'i Matio 26:10
Ary fantatr’ i Jesosy izay nataon’ ireo, ka dia hoy Izy taminy: Nahoana ianareo no mampalahelo an-dravehivavy? fa asa soa no nataony tamiko.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
9Fa azo namidy ho lafo be iny ka homena ny malahelo.
11Fa ny malahelo dia eto aminareo mandrakariva, fa Izaho tsy mba ho eto aminareo mandrakariva.
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 26
Cross References
Nehemiah 2:18Dia nambarako azy ny tànan’ Andriamanitro izay nahasoa ahy, ary ny tenin’ ny mpanjaka koa izay nolazainy tamiko. Ary hoy izy: Eny, aoka ary isika hitsangana ka handrafitra azy. Koa dia nampahery ny tànany hanao izany soa izany izy.
Mark 14:6Fa hoy Jesosy taminy: Avelao izy; nahoana ianareo no mampalahelo azy? Asa soa no nataony tamiko.
2 Corinthians 9:8Ary Andriamanitra mahay mampitombo ny fahasoavana rehetra aminareo, mba hanananareo ny onony rehetra mandrakariva amin’ ny zavatra rehetra, ka hitombo amin’ ny asa tsara rehetra;
Galatians 5:12Enga anie ka hiesotra aza izay mampitabataba anareo.
Ephesians 2:10Fa asany isika, voaforona tao amin’ i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin’ Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy.
2 Thessalonians 2:17no hampionona ny fonareo anie sy hampahery anareo amin’ ny asa sy ny teny tsara rehetra.