Filazantsara araka an'i Matio 26:17
Ary tamin’ ny voalohan’ ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira dia nankeo amin’ i Jesosy ny mpianatra ka nanao hoe: Aiza no tianao hamboarinay hihinananao ny Paska?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
16Ary hatramin’ izay no nitadiavany izay andro hahazoany mamadika Azy.
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 26
Cross References
Exodus 12:18Amin’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo amin’ ny volana voalohany, nony hariva, no hihinananareo mofo tsy misy masirasira ambara-paharivan’ ny andro fahiraika amby roa-polo amin’ ny volana.
Leviticus 23:5Ny andro fahefatra ambin’ ny folo amin’ ny volana voalohany, rehefa hariva, dia Paskan’ i Jehovah.
Deuteronomy 16:1Tandremo ny volana Abiba, ka ataovy ny Paskan’ i Jehovah Andriamanitrao fa tamin’ ny volana Abiba no nitondran’ i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka avy tany Egypta tamin’ ny alina.
Matthew 17:24Ary nony tonga tao Kapernaomy izy, dia nankeo amin’ i Petera ny mpandray ny antsasaky ny sekely ka nanao hoe: Moa ny mpampianatra anareo tsy mba mandoa ny antsasaky ny sekely va?
Mark 14:12Ary tamin’ ny voalohan’ ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, izay famonoana ny Paska, dia hoy ny mpianany taminy: Aiza no tianao halehanay hanamboaranay mba hihinananao ny Paska?