Filazantsara araka an'i Matio 26:2
Fantatrareo fa raha afaka indroa andro, dia ho tonga ny Paska, koa ny Zanak’ olona dia hatolotra hohomboana amin’ ny hazo fijaliana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
1Ary rehefa vitan’ i Jesosy izany teny rehetra izany, dia nilaza tamin’ ny mpianany hoe Izy:
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 26
Cross References
Exodus 12:11Ary toy izao no hataonareo, raha mihinana azy: ny valahanareo ho voasikina, ny kapanareo ho eo amin’ ny tongotrareo, ary ny tehinareo ho eny an-tananareo; dia hohaninareo faingana izy, fa Paskan’ i Jehovah.
Matthew 17:22Ary raha nitoetra tany Galilia izy, Jesosy dia nilaza tamin’ ny mpianany hoe: Ny Zanak’ olona efa hatolotra ho eo an-tànan’ ny olona
Matthew 26:24Ny Zanak’ olona dia mandeha tokoa araka izay nanoratana Azy, nefa lozan’ izay olona hahazoana ny Zanak’ olona hatolotra! tsara ho an’ izany olona izany raha tsy ary akory.
Mark 14:1Rehefa indroa andro no sisa tsy hahatongavan’ ny Paska, fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia nitady hisambotra an’ i Jesosy tamin’ ny fitaka ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna mba hamonoany Azy.
Luke 22:15Ary hoy Izy taminy: Naniry koa raha naniry Aho hiara-mihinana ity Paska ity aminareo, dieny mbola tsy mijaly Aho.
John 2:13Ary efa akaiky ny Pasky ny Jiosy, ka dia niakatra tany Jerosalema Jesosy.