Filazantsara araka an'i Matio 26:29
Ary lazaiko aminareo fa hatramin’ izao dia tsy mba hisotro itony vokatry ny voaloboka itony intsony Aho mandra-pihavin’ ny andro hiarahako misotro izay vaovao aminareo any amin’ ny fanjakan’ ny Raiko.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
28fa ity no rako, dia ny amin’ ny fanekena, izay alatsaka ho an’ ny maro ho famelan-keloka.
30Ary rehefa nihira fiderana izy, dia lasa nankany amin’ ny tendrombohitra Oliva.
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 26
Cross References
Psalms 4:7Maro no niteny hoe: iza no haneho soa antsika? Asandrato aminay ny fahazavan’ ny tavanao, Jehovah ô.
Psalms 104:15Ary divay izay mampifaly ny olona, ka mampinendonendo ny tavany mihoatra noho ny diloilo, Ary mofo hanohanana ny ain’ ny olona.
Isaiah 24:9Tsy mihira eo am-pisotroan-divay intsony izy, mangidy amin’ izay misotro azy ny toaka;
Isaiah 53:11Noho ny fisasaran’ ny fanahiny dia hahita izany Izy ka ho afa-po; Ny fahalalana Azy no hanamarinan’ ny Mpanompoko marina ny olona maro, ary Izy no hivesatra ny helok’ ireo.
Zechariah 9:17Fa akory ny hasoany! ary akory ny hatsaran-tarehiny! Vary no hampaharoroka ny zatovo, Ary ranom-boaloboka kosa ny zazavavy.
Matthew 16:28Lazaiko aminareo marina tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny Zanak’ olona avy amin’ ny fanjakany.