Filazantsara araka an'i Matio 26:35
Hoy Petera taminy: Na dia hiara-maty aminao aza aho, tsy mba handà Anao tokoa aho. Ary toy izany koa no nolazain’ ny mpianatra rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 26
Cross References
Exodus 19:8Dia namaly indray miredona ny olona rehetra ka nanao hoe: Izay teny rehetra nolazain’ i Jehovah dia hataonay. Ary dia nentin’ i Mosesy tao amin’ i Jehovah kosa ny tenin’ ny olona.
Proverbs 29:23Ny fiavonavonan’ ny olona no hampietry azy; Fa hahazo voninahitra kosa ny manetry tena.
John 13:37Hoy Petera taminy: Tompoko, nahoana no tsy mahazo manaraka Anao ankehitriny aho? Na ny aiko aza dia hafoiko noho ny aminao.
1 Corinthians 10:12Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo.
1 Peter 1:17Ary raha Ilay tsy mizaha tavan’ olona, fa mitsara araka ny asan’ izy rehetra, no antsoinareo hoe Ray, dia mitondrà tena amin’ ny fahatahorana mandritra ny andron’ ny fivahinianareo etỳ;