Filazantsara araka an'i Matio 26:36
Ary Jesosy mbamin’ ny mpianany dia tonga tao amin’ ny saha anankiray atao hoe Getsemane, ary hoy Izy tamin’ ny mpianany: Mipetraha eto aloha ianareo, raha mbola mankeroa hivavaka Aho.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 26
Cross References
Psalms 69:1Ho an’ ny mpiventy hira. Al-shoshanim. Nataon’ i Davida.
Matthew 26:39Ary nony nandroso kelikely Izy, dia niankohoka ka nivavaka hoe: Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.
Mark 14:32Ary tonga tany amin’ ny saha izay atao hoe Getsemane izy; dia hoy Jesosy tamin’ ny mpianany: Mipetraha eto ianareo mandra-pivavako.
John 18:1Rehefa voalazan’ i Jesosy izany teny izany, dia nandeha Izy mbamin’ ny mpianany ka nita ny lohasahan-driaka Kidrona; ary nisy saha teo, izay nidiran’ izy sy ny mpianany.