Filazantsara araka an'i Matio 26:51
Ary, indro, ny anankiray tamin’ izay nomba an’ i Jesosy naninjitra ny tànany, dia nanatsoaka ny sabany ka nikapa ny mpanompon’ ny mpisoronabe ary nahafaka ny sofiny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 26
Cross References
Matthew 26:35Hoy Petera taminy: Na dia hiara-maty aminao aza aho, tsy mba handà Anao tokoa aho. Ary toy izany koa no nolazain’ ny mpianatra rehetra.
Luke 9:55Fa Izy nitodika, dia niteny mafy azy.
Luke 22:49Ary izay teo aminy, raha nahita izay efa hanjo, dia nanao hoe: Tompoko, hamely amin’ ny sabatra va izahay?
John 18:36Jesosy namaly hoe: Ny fanjakako tsy avy amin’ izao tontolo izao; fa raha mba avy amin’ izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny mpanompoko, mba tsy ho voatolotra tamin’ ny Jiosy Aho; nefa ankehitriny tsy avy amin’ izany ny fanjakako.