Filazantsara araka an'i Matio 26:61
Ilehity nanao hoe: Mahay mandrava ny tempolin’ Andriamanitra Aho sy manangana azy amin’ ny hateloana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And said, This fellow said, I am able to destroy the temple of God, and to build it in three days.
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 26
Cross References
Genesis 19:9Ary hoy izy ireo: Mialà eto ianao. Dia hoy izy ireo indray: Ilehity tonga etỳ hivahiny, kanefa matetika mila hiseho ho mpitsara; ankehitriny dia hanao ratsiratsy kokoa aminao noho ny amin’ ireo lehilahy ireo izahay. Dia nanosika mafy an-dralehilahy izy ireo, dia an’ i Lota, ka nisesika hamaky ny varavarana.
2 Kings 9:11Ary Jeho nivoaka nankao amin’ ny mpanompon’ ny tompony ary nanontaniany hoe: Raharaha tsara ihany va? Inona no nalehan’ iny ilay adala iny tao aminao? Ary hoy izy taminy: Hianareo mahalala ihany an-dralehilahy sy ny heviny.
Isaiah 49:7Izao no lazain’ i Jehovah, Mpanavotra ny Isiraely, dia ny Iray Masiny, Amin’ Ilay hamavoin’ ny olona sy halan’ ny firenena ka tonga mpanompon’ ny mpanapaka: Ny mpanjaka hahita ka hitsangana, ary ny mpanapaka koa, ka dia hiankohoka noho ny amin’ i Jehovah, Izay mahatoky dia ny Iray Masin’ ny Isiraely, izay efa nifidy Anao.
Jeremiah 26:8Koa nony efa tapitra voalazan’ i Jeremia izay rehetra nasain’ i Jehovah nolazaina tamin’ ny vahoaka rehetra, dia nosamborin’ ny mpisorona sy ny mpaminany mbamin’ ny vahoaka rehetra izy ka nataony hoe: Ho faty tokoa ianao.
Matthew 12:24Fa nony ren’ ny Fariseo izany, dia hoy izy: Tsy misy amoahan’ ilehiny ny demonia, afa-tsy Belzeboba, lohan’ ny demonia.
Matthew 27:40ka nanao hoe: Ry Ilay mandrava ny tempoly sy manangana azy amin’ ny hateloana, vonjeo ny tenanao. Raha Zanak’ Andriamanitra Hianao, midìna hiala amin’ ny hazo fijaliana.