Filazantsara araka an'i Matio 26:64
Hoy Jesosy taminy: Voalazanao; ary koa, lazaiko aminareo: Hatramin’ izao dia ho hitanareo ny Zanak’ olona mipetraka eo amin’ ny tanana ankavanan’ ny Hery sy avy eo amin’ ny rahon’ ny lanitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 26
Cross References
Psalms 110:1Salamo nataon’ i Davida. Izao no lazain’ i Jehovah amin’ ny Tompoko: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.
Matthew 16:27Fa ho avy ny Zanak’ olona amin’ ny voninahitry ny Rainy, mbamin’ ny anjeliny, dia hamaly ny olona rehetra araka ny nataony.
Matthew 25:31Ary raha tonga ny Zanak’ olona amin’ ny voninahiny, arahin’ ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianan’ ny voninahiny Izy;
Matthew 27:11Ary Jesosy nitsangana teo anatrehan’ ny governora; ary ny governora nanontany Azy ka nanao hoe: Hianao va no Mpanjakan’ ny Jiosy? Dia hoy Jesosy taminy: Voalazanao.
Luke 21:27Ary amin’ izany andro izany dia hahita ny Zanak’ olona avy eo amin’ ny rahona amin-kery sy voninahitra lehibe izy.
John 1:50Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Moa ny nilazako taminao va fa hitako teo ambanin’ ny aviavy ianao no inoanao? Hahita zavatra lehibe noho izany ianao.