Filazantsara araka an'i Matio 26:67
Dia nororany ny tavany, ka nasiany totohondry Izy; ary ny sasany namely tahamaina Azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
66Ahoana no hevitrareo? Ary ireo namaly ka nanao hoe: Miendrika hohelohina ho faty Izy.
68ka nanao hoe: Maminania aminay, ry Kristy, iza no namely Anao?
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 26
Cross References
Deuteronomy 25:9dia hanatona azy eo anatrehan’ ny loholona ny vadin-drahalahiny ka hanala ny kapa amin’ ny tongo-dralehilahy, dia handrora amin’ ny tavany ka hiteny hoe: Toy izany no hatao amin’ izay olona tsy mety mamelo-maso ny rahalahiny.
Job 30:9Ary ankehitriny efa ataony an-kira aho. Eny, efa ambentinteniny aho.
Isaiah 50:6Ny lamosiko natolotro ho amin’ ny mpikapoka, ary ny takolako ho amin’ izay manongobaoka; ny tavako tsy nafeniko tamin’ ny henatra sy ny rora.
Isaiah 53:3Natao tsinontsinona sy nolavin’ ny olona Izy; lehilahy ory sady zatra ny fahoriana, Ary tahaka izay tsy tian’ ny olon-kojerena akory Izy; natao tsinontsinona Izy ka tsy mba nahoantsika.
Lamentations 3:30Aoka hanolotra ny takolany ho amin’ izay mamely azy izy ka ho feno latsa.
Micah 5:1Fa ianao, ry Betlehema Efrata, Izay kely tsy tokony ho isan’ ny arivon’ i Joda akory, Dia avy ao aminao no hivoahan’ Izay anankiray ho Mpanapaka ho Ahy ao amin’ ny Isiraely; Hatry ny fahagola no efa nivoahany, dia hatrizay hatrizay.