Filazantsara araka an'i Matio 27:3
Ary Jodasy, ilay namadika Azy, raha nahita fa nohelohina Jesosy, dia nanenina ka namerina ny sekely volafotsy telo-polo tamin’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny loholona
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
2Ary rehefa nafatony Izy, dia nentiny ka natolony an’ i Pilato governora.
4ka nanao hoe: Nanota aho, satria namadika rà marina. Fa hoy ireo: Ahoanay izany? fa asa anao.
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 27
Cross References
Job 20:5Dia vetivety foana ny firavoravoan’ ny ratsy fanahy, ary indray mipi-maso monja ny fifalian’ ny mpihatsaravelatsihy?
Matthew 26:14Ary ny anankiray tamin’ ny roa ambin’ ny folo lahy, atao hoe Jodasy Iskariota, dia nankao amin’ ny lohan’ ny mpisorona
Mark 14:10Ary Jodasy Iskariota, ilay isan’ ny roa ambin’ ny folo lahy, dia nankeo amin’ ny lohan’ ny mpisorona hamadika an’ i Jesosy aminy.
Luke 22:2Ary ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna nitady izay hamonoany an’ i Jesosy; nefa natahotra ny olona izy.
John 13:2Ary raha mbola teo amin’ ny fisakafoana hariva, ary Jodasy Iskariota, zanak’ i Simona, efa nomen’ ny devoly saina rahateo mba hamadika Azy,
John 18:3Ary Jodasy, rehefa nahazo ny miaramila iray toko sy mpiandry raharaha avy tamin’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny Fariseo, dia nankeo nitondra fanilo sy fanala ary fiadiana.