Filazantsara araka an'i Matio 27:38
Ary nisy jiolahy roa nohomboana tamin’ ny hazo fijaliana teo an-daniny roa, ny anankiray teo amin’ ny ankavanany, ary ny anankiray teo amin’ ny ankaviany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Then were there two thieves crucified with him, one on the right hand, and another on the left.
In Context
39Ary izay nandalo dia niteny ratsy Azy, sady nihifikifi-doha
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 27
Cross References
Isaiah 53:12Koa dia hanome Azy anjara amin’ ny lehibe Aho, ary hizara babo amin’ ny mahery Izy; Satria naidiny ho amin’ ny fahafatesana ny ainy, Ary natao ho isan’ ny mpanota Izy; Eny, Izy no nitondra ny fahotan’ ny maro sady manao fifonana ho an’ ny mpanota.
Mark 15:27Ary nisy jiolahy roa nohomboany tamin’ ny hazo fijaliana koa, ny anankiray teo amin’ ny ankavanany, ary ny anankiray teo amin’ ny ankaviany.
Luke 23:32Ary nisy olon-dratsy roa lahy nentina hiaraka hovonoina aminy koa.
John 19:18Teo no nanomboana Azy tamin’ ny hazo fijaliana, ary nisy roa lahy koa niaraka taminy, iray avy teo an-daniny roa, ary Jesosy teo afovoany.