Filazantsara araka an'i Matio 28:16
Ary ny mpianatra iraika ambin’ ny folo lahy dia nankany Galilia, ho any amin’ ilay tendrombohitra nasain’ i Jesosy halehany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Then the eleven disciples went away into Galilee, into a mountain where Jesus had appointed them.
In Context
17Ary nony nahita Azy izy, dia niankohoka, fa ny sasany niahanahana.
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 28
Cross References
Matthew 28:7Ary mandehana faingana, ka lazao amin’ ny mpianany fa efa nitsangana tamin’ ny maty Izy; ary, indro, mialoha anareo ho any Galilia Izy; any no hahitanareo Azy; indro, efa nilaza taminareo aho.
Mark 16:14Rehefa afaka izany, dia niseho tamin’ ny iraika ambin’ ny folo lahy Jesosy, raha nipetraka nihinana ireo; ary izy nanome tsiny azy noho ny tsi-finoany sy ny hamafin’ ny fony, satria tsy ninoany ireo efa nahita Azy, rehefa nitsangana Izy.
Acts 1:13Ary rehefa tafiditra izy, dia niakatra ho any an-trano ambony, izay fitoerany, ― dia Petera sy Jaona sy Jakoba sy Andrea, Filipo sy Tomasy, Bartolomeo sy Matio, Jakoba zanak’ i Alfeo, sy Simona Zelota ary Jodasy, zanak’ i Jakoba.