Filazantsara araka an'i Matio 28:5
Ary ny anjely namaly ka nilaza tamin’ ny vehivavy hoe: Aza matahotra ianareo; fa fantatro fa Jesosy, Izay efa nohomboana tamin’ ny hazo fijaliana, no tadiavinareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
4ary ny mpiambina nivadi-po noho ny fahatahorana azy ka tonga tahaka ny maty.
6Tsy ato Izy, fa efa nitsangana araka izay nolazainy. Avia, ka jereo, fa tao no nandrian’ ny Tompo.
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 28
Cross References
Isaiah 35:4Lazao amin’ izay reraka am-po: Mahereza, aza matahotra, indro, Andriamanitrareo ho avy mitondra famaliana, dia ny famalian’ Andriamanitra, eny, Izy tokoa no ho avy ka hamonjy anareo.
Isaiah 41:14Aza matahotra ianao, ry Jakoba kankana, dia ianareo, ry Isiraely olom-bitsy, Izaho no hamonjy anao, hoy Jehovah, Ary ny Iray Masin’ ny Isiraely no Mpanavotra anao.
Daniel 10:19ka nanao hoe: Aza matahotra, ry ilay malala indrindra; fiadanana anie ho anao, mahereza, eny, mahereza. Ary rehefa niteny tamiko izy, dia nihahery aho ka nanao hoe: Aoka hiteny ianao tompoko, satria efa nampahery ahy.
Matthew 28:10Dia hoy Jesosy taminy: Aza matahotra; fa mandehana, ka asaovy mankany Galilia ny rahalahiko; fa any no hahitany Ahy.
Luke 1:12Ary nony nahita azy Zakaria, dia taitra loatra izy ka raiki-tahotra.
Luke 24:5Ary nony natahotra izy ka niankohoka, dia hoy izy roa lahy taminy: Nahoana no ato amin’ ny maty no itadiavanareo ny velona?