Filazantsara araka an'i Matio 4:1
Ary Jesosy dia nentin’ ny Fanahy nankany an-efitra, mba halain’ ny devoly fanahy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Then was Jesus led up of the Spirit into the wilderness to be tempted of the devil.
In Context
2Ary nifady hanina efa-polo andro sy efa-polo alina Izy, koa nony afaka izany, dia noana.
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 4
Cross References
1 Kings 18:12Nefa raha vao miala aminao aho, dia ho entin’ ny Fanahin’ i Jehovah any amin’ izay tsy fantatro ianao; koa raha tonga aho ka milaza amin’ i Ahaba, nefa tsy ho hitany ianao tsinona, dia hovonoiny aho; kanefa izaho mpanomponao matahotra an’ i Jehovah hatry ny fony mbola kely.
Ezekiel 3:12Ary nisy fanahy nanainga ahy, dia nandre horakoraka be teo ivohoko aho nanao hoe: Isaorana anie ny voninahitr’ i Jehovah avy amin’ ny fitoerany.
Ezekiel 8:3Ary nisy nitarehin-tanana nahinjiny, ka noraisiny tamin’ ny voloko aho, dia nisy fanahy nanainga ahy ho eny anelanelan’ ny tany sy ny lanitra ka nitondra ahy ho any Jerosalema tamin’ ny fahitana avy amin’ Andriamanitra, ho eo amin’ ny vavahadin’ ny kianja anatiny, izay manatrika ny avaratra, dia ilay nisy ny sarin-javatra fampahasaro-piaro, dia ilay mampahasaro-piaro.
Ezekiel 11:24Dia nisy fanahy nanainga ahy tamin’ ny fahitana, dia tamin’ ny Fanahin’ Andriamanitra, ka nitondra ahy ho any Kaldea ho any amin’ ny babo. Dia niakatra niala tamiko ny fahitana izay efa hitako.
Ezekiel 43:5Dia nisy fanahy nanainga ahy ka nitondra ahy niditra ho ao amin’ ny kianja anatiny; ary, indro, feno ny voninahitr’ i Jehovah ny trano.
Luke 4:1Ary Jesosy feno ny Fanahy Masìna dia niverina avy tany Jordana, ary nentin’ ny Fanahy tany an-efitra efa-polo andro Izy