Filazantsara araka an'i Matio 4:10
Fa hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ry Satana: fa voasoratra hoe; Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
9dia nanao taminy hoe: Izao rehetra izao dia homeko Anao, raha hiankohoka eto anatrehako Hianao.
11Dia nandao Azy ny devoly, ary indreo, nisy anjely tonga ka nanompo Azy.
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 4
Cross References
Deuteronomy 6:13Matahora an’ i Jehovah Andriamanitrao ianao, ka manompoa Azy, ary aoka ny anarany no hianiananao.
Joshua 24:14Koa ankehitriny, matahora an’ i Jehovah, ka manompoa Azy amin’ ny fahitsiana sy ny fahamarinana; ary ario ny andriamanitra izay notompoin’ ny razanareo tany an-dafin’ ny Ony sy tany Egypta, ka manompoa an’ i Jehovah.
1 Chronicles 21:1Ary Satana nitsangana hampidi-doza tamin’ ny Isiraely ka nanome saina an’ i Davida hanisa ny Isiraely.
Job 1:12Dia hoy Jehovah tamin’ i Satana: Indro eo an-tananao izay ananany rehetra; fa ny tenany ihany no aza aninjiranao ny tananao. Dia nivoaka Satana niala teo anatrehan’ i Jehovah.
Psalms 109:6Anendreo olona ratsy fanahy hanapaka azy; Ary aoka hisy mpanohitra hitsangana eo an-kavanany.
Matthew 16:23Fa Izy nihodina ka niteny tamin’ i Petera hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana; fahatafintohinana amiko ianao, satria tsy misaina izay an’ Andriamanitra ianao, fa izay an’ ny olona.