Filazantsara araka an'i Matio 4:17
Ary tamin’ izany andro izany dia nanomboka nitori-teny Jesosy ka nanao hoe: Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ ny lanitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
From that time Jesus began to preach, and to say, Repent: for the kingdom of heaven is at hand.
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 4
Cross References
Matthew 9:13Fa mandehana ka mianara izay hevitry ny teny hoe: Famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà; fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.
Matthew 11:12Ary hatramin’ ny andron’ i Jaona Mpanao-batisa ka mandraka ankehitriny ny fanjakan’ ny lanitra dia rombahina, ary ny mpandrombaka maka azy an-keriny.
Matthew 13:11Ary namaly Izy ka nanao taminy hoe: Satria ianareo no navela hahalala ny zava-miafina ny amin’ ny fanjakan’ ny lanitra, fa ireny kosa tsy mba navela.
Matthew 13:47Ary koa, ny fanjakan’ ny lanitra dia tahaka ny harato-tarihina, izay nalatsaka tao amin’ ny ranomasina ka nahavory ny samy hafa karazana rehetra;
Mark 1:14Ary rehefa voasambotra Jaona, dia nankany Galilia Jesosy nitory ny filazantsaran’ Andriamanitra
Luke 9:2Ary Izy naniraka ireo handeha hitory ny fanjakan’ Andriamanitra sy hahasitrana ny marary.