Filazantsara araka an'i Matio 4:18
Ary nony nitsangantsangana teny amoron’ ny Ranomasin’ i Galilia Jesosy, dia nahita olona mirahalahy, dia Simona, izay atao hoe Petera, sy Andrea rahalahiny, nanarato teny amin’ ny ranomasina; fa mpanarato izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
19Dia hoy Jesosy taminy: Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo.
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 4
Cross References
Exodus 3:10Koa avia ankehitriny ianao hirahiko ho any amin’ i Farao hitondra ny Zanak’ Isiraely oloko hivoaka avy any Egypta.
Deuteronomy 3:17ary ny tani-hay koa sy Jordana ary ny fari-tany hatrany Kireneta ka hatramin’ ny ranomasina amin’ ny tani-hay, dia ny Ranomasin-tsira, eo am-bodin’ i Pisga, dia ao atsinanany.
1 Kings 19:19Ary niala teo Elia ka nahita an’ i Elisa, zanak’ i Safata, izay nampiasa omby efatra amby roa-polo mikambana tsiroaroa avy, fa izy teo amin’ ny roa farany indrindra; ary Elia nandroso nanatona azy, dia nanipy ny kapôtiny hanarona azy.
Amos 7:14Dia namaly Amosa ka nanao tamin’ i Amazia hoe: Tsy mba mpaminany aho, na zanaka ny mpaminany; fa mpiandry ondry sy mpioty aviavy ihany aho,
Matthew 10:2Ary izao no anaran’ ny Apostoly roa ambin’ ny folo lahy: Ny voalohany, Simona, izay atao hoe Petera, dia Andrea rahalahiny; Jakoba, zanak’ i Zebedio, sy Jaona rahalahiny;
Matthew 16:18Ary Izaho milaza aminao koa: Hianao no Petera, ary ambonin’ ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako; ary ny vavahadin’ ny fiainan-tsi-hita tsy haharesy azy.