Filazantsara araka an'i Matio 4:24
Ary niely eran’ i Syria ny lazany, ka dia nentin’ ny olona tany aminy ny marary rehetra, izay azon’ ny aretina maro samy hafa sy ny fangirifiriana, dia ny demoniaka sy izay mararin’ ny androbe ary ny mararin’ ny paralysisa, ka nahasitrana ireny Izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 4
Cross References
Joshua 6:27Ary Jehovah nomba an’ i Josoa, ka niely tamin’ ny tany rehetra ny lazany.
1 Chronicles 14:17Ary ny lazan’ i Davida niely teny amin’ ny tany rehetra; ary nataon’ i Jehovah nahazo ny firenena rehetra ny tahotra an’ i Davida.
Matthew 8:6nanao hoe: Tompoko ô, ny ankizilahiko mandry ao an-trano, mararin’ ny paralysisa ka mijaly loatra.
Matthew 8:28Ary nony tonga teny am-pita teo amin’ ny tanin’ ny Gadarena Izy, dia nifanena taminy ny demoniaka roa lahy, nivoaka avy teny amin’ ny fasana, sady masiaka loatra, ka tsy nisy olona nahazo nandalo tamin’ izany lalana izany.
Matthew 9:26Ary ny lazan’ izany dia niely tamin’ izany tany rehetra izany.