Filazantsara araka an'i Matio 4:3
Dia nanatona ny mpaka fanahy ka nanao taminy hoe: Raha Zanak’ Andriamanitra Hianao, dia teneno ho tonga mofo ireto vato ireto.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
2Ary nifady hanina efa-polo andro sy efa-polo alina Izy, koa nony afaka izany, dia noana.
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 4
Cross References
Genesis 3:1Ary ny menarana dia fetsy noho ny bibi-dia rehetra izay nataon’ i Jehovah Andriamanitra. Ary hoy izy tamin-dravehivavy: Hanky! efa nataon’ Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra amin’ ny saha?
Exodus 16:3ka nanao taminy hoe: Inay anie izahay mba matin’ ny tànan’ i Jehovah tany amin’ ny tany Egypta, raha nipetraka teo anilan’ ny fahandroan-kena ka nihinan-kanina ho voky; fa nitondra anay nivoaka ho atỳ an-efitra ianareo hahafaty mosary izao fiangonana rehetra izao.
Job 1:9Ary Satana dia namaly an’ i Jehovah ka nanao hoe: Moa tsy fanantenan-javatra va no atahoran’ i Joba an’ Andriamanitra?
Psalms 78:17Kanjo mbola nandroso nanota taminy ihany izy ireo, ka nampahatezitra ny Avo Indrindra tany an-efitra.
Matthew 14:33Ary izay teo an-tsambokely dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Zanak’ Andriamanitra tokoa Hianao.
Luke 4:9Ary nitondra Azy nankany Jerosalema izy, dia nampitoetra Azy teo an-tampon’ ny tempoly ka nanao taminy hoe: Raha Zanak’ Andriamanitra Hianao, mivarina any ambany any;