Filazantsara araka an'i Matio 5:11
Sambatra ianareo, raha haratsin’ ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
10Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana; fa azy ny fanjakan’ ny lanitra.
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 5
Cross References
Psalms 35:11Mitsangana ny vavolombelona mampidi-doza; ka izay tsy fantatro no anadinany ahy.
Isaiah 66:5Mihainoa ny tenin’ i Jehovah, Hianareo izay mangovitra noho ny teniny! Hoy ny rahalahinareo izay mankahala anareo, Ka mandroaka anareo noho ny amin’ ny anarako: Hampiseho ny voninahiny anie Jehovah, Mba ho faly mahita ny fifalianareo izahay! Kanefa ireny ho menatra kosa.
Matthew 10:22Ary ho halan’ ny olona rehetra ianareo noho ny anarako; fa izay maharitra hatramin’ ny farany no hovonjena.
Matthew 10:39Izay mamonjy ny ainy no hamery azy; ary izay mamery ny ainy noho ny amiko dia hahazo azy.
Matthew 24:9Ary dia hatolony ho amin’ ny fahoriana ianareo ka hovonoiny; ary ho halan’ ny firenena rehetra ianareo noho ny anarako.
Mark 4:17nefa tsy manam-paka ao anatiny ireny, fa maharitra vetivety foana; koa rehefa afaka izany, ka tonga izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin’ izay izy.