Filazantsara araka an'i Matio 5:22
Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra amin’ ny rahalahiny dia miendrika hohelohina amin’ ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hanao amin’ ny rahalahiny hoe: Olom-poana ianao, dia miendrika hohelohina amin’ ny Synedriona; ary na zovy na zovy no hanao hoe: Foka ialahy, dia miendrika ho ao amin’ ny helo mirehitra afo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 5
Cross References
Genesis 4:5fa Kaina mbamin’ ny fanatiny kosa tsy mba nankasitrahany. Dia tezitra indrindra Kaina, sady nanjombona ny tarehiny.
Genesis 37:8Ary hoy ny rahalahiny taminy: Moa hanjaka aminay tokoa va ianao? na hanapaka anay tokoa va ianao? Ary izany nofiny sy teniny izany dia vao mainka nankahalany azy.
Deuteronomy 18:18Mpaminany no hatsangako ho azy avy amin’ ny rahalahiny, tahaka anao, ka hataoko ao am-bavany ny teniko, ary holazainy aminy izay rehetra handidiako azy.
1 Samuel 18:8Dia tezitra indrindra Saoly, fa tsy sitrany izany teny izany, ka hoy izy: Ny an’ i Davida nataony alinalina lahy, fa ny ahy kosa nataony arivoarivo ihany; koa ny fanjakana ihany no sisa tsy mbola azony.
1 Samuel 22:12Ary hoy Saoly: Mba mihainoa ianao, ry zanak’ i Ahitoba. Ary izy namaly hoe: Inty aho, tompoko.
2 Samuel 16:7Ary hoy ny fanozon’ i Simey: Mandehana, mandehana, ry lehilahy mpandatsa-drà sy tena ratsy fanahy!