Filazantsara araka an'i Matio 5:3
Sambatra ny malahelo am-panahy; fa azy ny fanjakan’ ny lanitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Blessed are the poor in spirit: for theirs is the kingdom of heaven.
In Context
2Dia niloa-bava Izy ka nampianatra azy hoe:
4Sambatra ny ory; fa izy no hampifalina.
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 5
Cross References
Leviticus 26:41ary Izaho kosa namely azy ka nitondra azy ho any amin’ ny tanin’ ny fahavalony, raha hietry amin’ izany ny fony tsy voafora, any hanonitra ny amin’ ny helony izy,
2 Chronicles 7:14raha ny oloko izay nantsoina amin’ ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin’ ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hahasitrana ny taniny.
2 Chronicles 33:19Ary koa, ny vavaka nataony sy ny naneken’ Andriamanitra izany ary ny fahotany sy ny fahadisoany rehetra mbamin’ ny fitoerana izay nanorenany fitoerana avo sy nananganany Aseraha sy sarin-javatra voasokitra, fony izy tsy mbola nanetry tena, indro, efa voasoratra ao amin’ ny tenin’ i Hozay izany.
2 Chronicles 34:27satria nino anatra ianao ka nanetry tena teo anatrehan’ Andriamanitra, raha nandre ny teniny ny amin’ ity tanàna ity sy ny mponina eto, eny, satria nanetry tena teo anatrehako ianao ka nandriatra ny fitafianao sady nitomany teo anatrehako, dia Izaho efa nihaino, hoy Jehovah.
Psalms 1:1Sambatra ny olona izay tsy mandeha eo amin’ ny fisainan’ ny ratsy fanahy, ary tsy mijanona eo amin’ ny lalana falehan’ ny mpanota, ary tsy mipetraka eo amin’ ny fipetrahan’ ny mpaniratsira;
Psalms 32:1Nataon’ i Davida. Maskila. Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany.