Filazantsara araka an'i Matio 5:39
Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Aza manohitra izay manisy ratsy anareo; fa na zovy na zovy no mamely tahamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny anankiray.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
38Efa renareo fa voalaza hoe: Maso solon’ ny maso, ary nify solon’ ny nify.
40Ary izay te hiady aminao ka tahaka ny akanjonao, dia avelao ho azy koa ny lambanao.
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 5
Cross References
Leviticus 19:18Aza mamaly ratsy na manao lolompo amin’ izay iray firenena aminao: fa tiava ny namanao tahaka ny tenanao: Izaho no Jehovah.
1 Samuel 25:31dia tsy ho alahelo na ho nenina amin’ ny fon’ ny tompoko izany, fa tsy nandatsa-drà foana ianao, na namaly ho an’ ny tenanao, tompoko; fa rehefa asian’ i Jehovah soa ny tompoko, dia mba tsarovy aho ankizivavinao.
1 Kings 22:24Fa Zedekia, zanak’ i Kenana, nanatona, dia namely ny takolak’ i Mikaia sady nanao hoe: Taiza no nialan’ ny Fanahin’ i Jehovah tamiko hiteny aminao?
Job 31:29Raha tàhiny aho nifaly noho ny loza nanjo izay nankahala ahy, na nibitabitaka, raha nozoim-pahoriana izy
Proverbs 24:29Aza manao hoe: Araka izay nataony tamiko no mba hataoko aminy kosa, Hovaliako ny olona araka izay nataony.
Lamentations 3:30Aoka hanolotra ny takolany ho amin’ izay mamely azy izy ka ho feno latsa.