Filazantsara araka an'i Matio 5:42
Omeo izay mangataka aminao; ary aza ilaoza-mihodìna izay te hisambotra aminao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Give to him that asketh thee, and from him that would borrow of thee turn not thou away.
In Context
41Ary na zovy na zovy no hanery anao handeha maily iray, mandehana miaraka aminy maily roa.
43Efa renareo fa voalaza hoe: Tiava ny namanao, ary mankahalà ny fahavalonao.
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 5
Cross References
Deuteronomy 15:7Raha misy malahelo ny rahalahinao ao an-tanànanao anankiray amin’ ny taninao izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao, dia aza manamafy ny fonao, na manakombona ny tananao, amin’ ny rahalahinao malahelo;
Psalms 37:21Misambotra ny ratsy fanahy, nefa tsy manohitra; Fa ny marina kosa mamindra fo ka manome.
Psalms 112:5Sambatra ny olona izay miantra ka mampisambotra; Tsy mba ho resy eo am-pitsarana izy.
Proverbs 11:24Misy mahafoy, nefa mitombo fananana ihany; Ary misy fatra-pahihitra loatra, nefa tonga malahelo ihany.
Ecclesiastes 11:1Atsipazo eny ambonin’ ny rano ny haninao, fa ho hitanao ihany izy rehefa ela.
Isaiah 58:6Tsy izao va no fifadiana izay ankasitrahako: Dia ny hamaha ny famatoran’ ny faharatsiana, sy hanaboraka ny fehin’ ny zioga, sy handefa ny ampahorina ho afaka, ary hanapatapaka ny zioga rehetra?