Filazantsara araka an'i Matio 6:13
Ary aza mitondra anay ho amin’ ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin’ ny ratsy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
12Ary mamelà ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay.
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 6
Cross References
Exodus 15:18Jehovah hanjaka mandrakizay doria.
Deuteronomy 8:2Ary tsarovy ny lalana rehetra izay nitondran’ i Jehovah Andriamanitrao anao tany an-efitra izao efa-polo taona izao, hampanetry tena anao sy hizaha toetra anao ary hahalala izay ao am-ponao, na hitandrina ny didiny ianao, na tsia.
Deuteronomy 27:15Hozonina ny olona izay manao sarin-javatra voasokitra na sarin-javatra an-idina, izay fahavetavetana eo imason’ i Jehovah, asan’ ny tanan’ ny mahay tao-zavatra, ka mametraka azy ao amin’ ny takona. Dia hamaly ny vahoaka rehetra ka hanao hoe: Amena.
1 Chronicles 4:10Ary Jabeza niantso an’ Andriamanitry ny Isiraely hoe: Enga anie ka hotahinao tokoa aho, ka hohalalahinao ny fari-taniko, ary ho amiko ny tananao, ka harovanao amin’ ny ratsy aho, mba tsy hampahory ahy izany. Ary dia nomen’ Andriamanitra azy ny nangatahiny.
1 Chronicles 29:11Anao, Jehovah ô, ny fahalehibiazana sy ny hery sy ny voninahitra sy ny famirapiratana ary ny fiandrianana, dia izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; Anao ny fanjakana, Jehovah ô, ary Anao ny fisandratana ho Lohany ambonin’ izy rehetra.
Psalms 41:13Ary ny amiko, dia manohana ahy amin’ ny fahitsiako Hianao, ka mampitoetra ahy eo anatrehanao mandrakizay.