The Bible Software
bible.software › Filazantsara araka an'i Matio › Filazantsara araka an'i Matio 6 › Filazantsara araka an'i Matio 6:16

Filazantsara araka an'i Matio 6:16

Ary raha mifady hanina ianareo, aza mety ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy, izay malahelo tarehy; fa mampisotisoty ny tavany izy mba ho hitan’ ny olona fa mifady. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

Moreover when ye fast, be not, as the hypocrites, of a sad countenance: for they disfigure their faces, that they may appear unto men to fast. Verily I say unto you, They have their reward.

In Context

15Fa raha tsy mamela ny fahadisoan’ ny olona ianareo, dia tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo.

17Fa ianao kosa, raha mifady hanina, dia hosory ny lohanao, ary sasao ny tavanao,

Read all of Filazantsara araka an'i Matio 6

Cross References

2 Samuel 12:16Ary nifona tamin’ Andriamanitra ho an’ ny zaza Davida, dia nifady hanina sady niditra ka nandry tamin’ ny tany mandritra ny alina.

1 Kings 21:27Ary rehefa ren’ i Ahaba izany teny izany, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitafy lamba fisaonana nataony manolo-koditra sady nifady hanina sy nandry tamin-damba fisaonana ary nijoretra teny am-pandehanana.

Esther 4:16Mandehana ary, vorio ny Jiosy rehetra izay mba ato Sosana ary mifadia hanina noho ny amiko, ka aza mihinana na misotro hateloana na andro na alina; ary izaho sy ny ankizivaviko hifady toy izany koa, ary amin’ izany no hidirako ao amin’ ny mpanjaka, na dia tsy araka ny lalàna aza; koa raha tàhiny maty aho, dia maty.

Psalms 69:10Fa ny firehetako ny amin’ ny tranonao no naharitra aina ahy; ary ny latsa nataon’ izay nandatsa Anao dia nihatra tamiko.

Isaiah 58:3Nahoana izahay no mifady, hoy izy, nefa tsy hitanao? Ary nahoana izahay no mampahory ny tenanay, nefa tsy ahoanao? Indro fa amin’ ny andro fifadianareo aza dia mbola ny tianareo ihany no ataonareo, ary ny mpiasa rehetra ao aminareo dia ampahorinareo.

Zechariah 7:3ka hiteny amin’ ny mpisoron’ ny tranon’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, sy amin’ ny mpaminany hoe: Hitomany amin’ ny volana fahadimy va aho ka hifady toy ny fanaoko tamin’ ny taon-dasa ela?

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)聖書 (日本語)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBiblia TakatifuBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)

Study Filazantsara araka an'i Matio 6:16

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeAlbert BarnesJohn WesleyJohn CalvinScofieldWilliam BurkittFamily Bible NotesThe Fourfold GospelJohn LightfootGeneva Bible Notes (1599)Robertson's Word Pictures
← Filazantsara araka an'i Matio 6:15Filazantsara araka an'i Matio 6Filazantsara araka an'i Matio 6:17 →