Filazantsara araka an'i Matio 6:19
Aza mihary harena ho anareo eto an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba, sady misy mpangalatra manami-trano sy mangalatra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 6
Cross References
Job 31:24Raha tàhiny aho nanao ny volamena ho fanantenako, na nanonona ny volamena tsara hoe: Ry tokiko ô;
Psalms 62:10Zava-poana tokoa ny ambany, ary lainga ny ambony; raha hatao amin’ ny mizana izy, dia maivana; zava-poana mihitsy izy.
Proverbs 16:16Tsara ny mahazo fahendrena noho ny volamena, Ary tsara ny mahazo fahalalana noho ny volafotsy.
Ecclesiastes 2:26Fa ny olona izay ankasitrahan’ Andriamanitra dia omeny fahendrena sy fahalalana ary fifaliana; fa ny mpanota kosa ampiasainy hanangona sy hamory, mba hisy homeny izay ankasitrahan’ Andriamanitra. Zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.
Zephaniah 1:18Na ny volafotsiny na ny volamenany dia samy tsy hahavonjy azy amin’ ny andro fahatezeran’ i Jehovah, Fa holevonin’ ny afon’ ny fahasaro-piarony ny tany rehetra; Fa fahafonganana, eny, fahafonganana tampoka tokoa no hataony amin’ ny mponina amin’ ny tany.
Luke 12:21Toy izany izay mihary harena ho an’ ny tenany ihany, nefa tsy mba manan-karena ny amin’ Andriamanitra.