Filazantsara araka an'i Matio 6:26
Tsinjovy ny voro-manidina, fa tsy mba mamafy, na mijinja, na mitaona ho any an-tsompitra ireny; ary ny Rainareo Izay any an-danitra mamelona azy. Moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
27Ary iza ao aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny andro hiainany na dia kely monja aza?
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 6
Cross References
Genesis 6:21Ary analao ho anao ny zavatra rehetra izay mety ho fihinana, ka angòny ho eo aminao; dia ho fihinana ho anao sy ho an’ ireo koa izany.
Job 38:41Iza moa no manome hanina ny goaika, raha mitaraina amin’ Andriamanitra ny zanany ka mirenireny tsy mahita hanina?
Psalms 104:27Ireo rehetra ireo miandry Anao, Mba homenao ny haniny amin’ ny fotoany.
Psalms 147:9Manome hanina ho an’ ny biby Izy Sy ho an’ ny zana-goaika izay mitaraina.
Matthew 7:9Ary iza moa aminareo, raha angatahan’ ny zanany mofo, no hanome azy vato?
Luke 12:6Tsy eranambatry va no vidin’ ny tsintsina dimy? nefa tsy misy hadinoina eo anatrehan’ Andriamanitra ireny na dia iray akory aza.