Filazantsara araka an'i Matio 6:34
Ary amin’ izany dia aza manahy ny amin’ ny ampitso ianareo; fa ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho an’ ny andro ny ratsy miseho ao aminy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
33Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 6
Cross References
Exodus 16:18Ary raha nafatrany tamin’ ny vata omera izany, dia tsy nanana amby ny nanangona be, ary ny nanangona kely tsy nanana ny tsy ampy; samy nanangona araka izay fihinany avy izy.
1 Kings 17:4Koa ny renirano no hisotroanao, ary ny goaika efa nodidiako hamelona anao any.
2 Kings 7:1Fa hoy kosa Elisa: Mihainoa ny tenin’ i Jehovah ianareo: Izao no lazain’ i Jehovah: Rahampitso toy izao dia ho sekely iray ny vidin’ ny koba tsara toto eran’ ny famarana, ary ho sekely iray koa ny vidin’ ny vary hordea indroan’ ny famarana ao am-bavahadin’ i Samaria.
Matthew 6:11Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay.
Luke 11:3Omeo anay isan’ andro izay hanina sahaza ho anay.
John 16:33Izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. Atỳ amin’ izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.