Filazantsara araka an'i Matio 6:7
Ary raha mivavaka ianareo, dia aza mba manao teny maro foana tahaka ny jentilisa; Fa ataony ho ny hamaroan’ ny teniny no hihainoana azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 6
Cross References
1 Kings 18:26Dia naka ny vantotr’ ombilahy izay nomeny azy ireo ka namboatra azy, dia niantso ny anaran’ i Bala hatramin’ ny maraina ka mandra-pitataovovonan’ ny andro izy nanao hoe: Ry Bala ô, henoy izahay! Kanjo tsy nisy nanoina na namaly akory. Ary nihinjakinjaka tamin’ ny alitara izay nataony izy.
Ecclesiastes 5:7Raha hitanao ny fampahoriana ny malahelo sy ny famadihana ny fitsarana sy ny rariny amin’ ny tany, dia aza gaga amin’ izany; fa misy ambony kokoa mibanjina ny ambony, ary mbola misy ambony noho ireo indray aza.
Matthew 6:32Fa izany rehetra izany dia katsahin’ ny jentilisa fatratra; fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany.
Matthew 26:39Ary nony nandroso kelikely Izy, dia niankohoka ka nivavaka hoe: Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.
Matthew 26:44Ary rehefa nandao azy Izy ka lasa indray, dia nivavaka fanintelony ka nanao izany teny izany ihany.