Filazantsara araka an'i Matio 8:32
Ary hoy Izy taminy: Mandehana. Dia nivoaka ireo, ka lasa nankany anatin’ ny kisoa; ary, indreny, ny kisoa andiany rehetra nitratrevatreva teny amin’ ny hantsana ho any amin’ ny ranomasina, ka dia maty tany anatin’ ny rano.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 8
Cross References
1 Kings 22:22Dia hoy izy: Hivoaka aho ka ho tonga fanahy mandainga ao am-bavan’ ny mpaminaniny rehetra. Dia hoy indray Jehovah: Ho voataonanao ihany izy, ka hahatanteraka ianao; mivoaha ary, ka ataovy izany.
Job 2:3Dia hoy Jehovah tamin’ i Satana: Efa nandinika an’ i Joba mpanompoko va ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin’ ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an’ Andriamanitra ka mifady ny ratsy? Ary mbola mitana mafy ny fahamarinany ihany izy, na dia nanesika Ahy hamongotra azy foana aza ianao.
Luke 8:33Ary ny demonia, rehefa nivoaka tamin-dralehilahy, dia niditra tao anatin’ ny kisoa; ary ireo kisoa andiany ireo nitratrevatreva tamin’ ny hantsana ho any amin’ ny farihy, ka dia maty tany.
Acts 4:28mba hanao izay notendren’ ny tananao aman-tsainao rahateo hatao.