Filazantsara araka an'i Matio 8:4
Ary hoy Jesosy taminy: Tandremo mba tsy hilaza amin’ olona na dia iray akory aza ianao; fa mandehana, misehoa amin’ ny mpisorona, ka mitondrà ny fanatitra izay nandidian’ i Mosesy ho vavolombelona amin’ ireo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
5Ary nony tonga tao Kapernaomy Jesosy, dia nisy kapiteny anankiray nankao aminy ka nitaraina taminy
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 8
Cross References
Leviticus 13:2Raha misy mamontsina eo amin’ ny hoditry ny nofon’ ny olona, na misy manako-pery na misy mifaritra mangirana, ka eo amin’ ny hoditry ny nofony tahaka ny habokana izany, dia ho entina ho eo amin’ i Arona mpisorona izy, na ho eo amin’ izay iray amin’ ny mpisorona, zanak’ i Arona;
2 Kings 5:7Ary nony efa novakin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely ny taratasy, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nanao hoe: Andriamanitra va aho ka hahafaty na hahavelona, no anirahan’ ilehiny atỳ amiko mba hahasitrana olona amin’ ny habokany? Koa masìna ianareo, fantaro sy izahao fa mila ady amiko mihitsy izy.
Matthew 3:15Fa namaly Jesosy ka niteny taminy hoe: Ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra. Ka dia nekeny Izy.
Matthew 6:1Tandremo mba tsy hanao ny asan’ ny fahamarinanareo eo imason’ ny olona hahitany izany; Fa raha tsy izany, dia tsy manana valim-pitia amin’ ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo.
Matthew 10:18ary ho entiny eo anatrehan’ ny mpanapaka sy ny mpanjaka ianareo noho ny amiko, ho vavolombelona aminy sy amin’ ny jentilisa.
Matthew 16:20Ary tamin’ izany dia nandrara ny mpianatra Izy mba tsy hilaza amin’ olona akory fa Izy no Kristy.