Filazantsara araka an'i Matio 9:30
Dia nahiratra ny masony; ary Jesosy namepetra azy mafy ka nanao hoe: Tandremo mba tsy ho fantatr’ olona izao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And their eyes were opened; and Jesus straitly charged them, saying, See that no man know it.
In Context
29Dia nanendry ny masony Izy ka nanao hoe: Tongava aminareo araka ny finoanareo.
31Kanjo nony niala teo izy roa lahy, dia nampiely ny lazany tamin’ izany tany rehetra izany.
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 9
Cross References
Psalms 146:8Jehovah mampahiratra ny jamba Jehovah mampitraka ny mitanondrika; Jehovah tia ny marina;
Isaiah 42:7Hampahiratra ny mason’ ny jamba, hamoaka ny mpifatotra hiala ao an-trano-maizina ary izay mipetraka ao amin’ ny maizina hiala ao an-trano famatorana.
Matthew 8:4Ary hoy Jesosy taminy: Tandremo mba tsy hilaza amin’ olona na dia iray akory aza ianao; fa mandehana, misehoa amin’ ny mpisorona, ka mitondrà ny fanatitra izay nandidian’ i Mosesy ho vavolombelona amin’ ireo.
Matthew 17:9Ary rehefa nidina avy tao an-tendrombohitra izy, dia nandrara azy Jesosy ka nanao hoe: Aza milaza amin’ olona ny fahitana, mandra-pitsangan’ ny Zanak’ olona amin’ ny maty.
Luke 5:14Ary Jesosy nandrara azy tsy hilaza amin’ olona na dia iray akory aza; fa mandehana, hoy Izy, misehoa amin’ ny mpisorona, ka manatera ny fanadiovana anao araka ny nandidian’ i Mosesy, ho vavolombelona amin’ ireo.
John 9:7Ary hoy Izy taminy: Andeha, sasao ny masonao any amin’ ny farihy Siloama (izay atao hoe, raha adika, Nirahina). Dia lasa izy ka nanasa, dia niverina nahiratra.