Bokin'i Mika 1:12
Fa malahelo ny soa ny mponina ao Marota, Satria loza no efa nidina avy tamin’ i Jehovah ho ao am-bavahadin’ i Jerosalema.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
1 Samuel 4:13Ary raha tonga izy, indro, Ely nipetraka teo amin’ ny sezany ka nitazana teo amoron-dalana, fa niemponempona ny fony noho ny fiaran’ Andriamanitra. Ary nony tonga tao an-tanàna ralehilahy ka nilaza, dia nidradradradra ny tao an-tanàna rehetra.
Isaiah 45:7Dia Izaho Izay mamorona ny mazava sy mahary ny maizina, manao ny fiadanana sy mahary ny loza; Izaho Jehovah no manao izany rehetra izany.
Jeremiah 8:15Nanantena fiadanana isika, kanjo tsy nahita soa; Ary andro fanasitranana, fa indro fampitahorana.
Amos 3:6Tsofina va ao an-tanàna ny anjomara, ka tsy hatahotra ny vahoaka? Misy loza ao an-tanàna va, raha tsy Jehovah no nahatonga izany?